TAOM-BAOVAO : NIRARY SOA IREO POLISY ETO AN-DRENIVOHITRA NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA

✅️ Nanatanteraka fitsidihana ireo sampan-draharaha maro eo anivon’ny Polisimpirenena ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa , sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ny talata 02 janoary.
✅️ Tao amin’ny FIP Antanimora no nanombohany ny fitsidihana. Fiarahabana ny Polisy rehetra nahatratra ny taona 2024, sy fisaorana azy ireo tsy nitandro hasasarana tamin’ny fanatanterahana ny andraikiny nandritra iny taona 2023 iny no votoatin’izany.
✅️ Nanamafy Andriamatoa Minisitra fa laharam-pahamehana ho an’ny Polisimpirenena ny fanatanterahana ny toromarika nomen’Andriamatoa Filoham-pirenena mahakasika ny ady atao amin’ny herisetra ara-nofo mianjady amin’ireo zaza tsy ampy taona, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanatsarana ny fifandraisana amin’ny vahoaka sy ny fametrahana fandriampahalemana maharitra.
✅️ Nitohy teny amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalana, teny amin’ny ny Direction Générale de la Police Nationale tetsy Anosy , Kaomisaria foibe Avaradrano sy Antsimondrano, ary teny amin’ny CSP Alasora sy ENSP Ivato ny fitsidihana.

TAOM-BAOVAO : NIRARY SOA IREO POLISY ETO AN-DRENIVOHITRA NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer