,👉Jiolahy iray efa mpamerin-keloka no lavon’ny balan’ny Polisy tao Antsalovana/67ha ny 09 Novambra 2024 tokony tamin’ny 09 ora sy sasany alina noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana.
👮Nahafantatra mialoha ny Polisimpirenena fa misy andian’olona mikononkonona hanao fanafihana mitam-piadiana amin’ny mpivarotra mpamongady iray eny amin’ny faritra 67ha iny.
👮Nandray fepetra ny mpitandro filaminana UIR ka voasambotra tamin’izany ity lehilahy izay efa mpamerin-keloka amin’ny halatra mahery setra sy mitam-piadiana.
👉Nanaiky izy hitarika ireo Polisy hanoro ny toerana iarahany mivory amin’ny namany.
✅Kinanjo niantso nanaitra ireo namany izy ka nisy ny fifampitifirana.
Naratra noho ny tifitra nandritra ny fifandonana ity jiolahy manana solon’anarana hoe « NDATY  » ity ka maty vokatrin’ny ratra nahazo azy. Antsy lava lela roa sy basy iray no tratra teny an-toerana.
DRSP ANALAMANGA_UIR/ CC TANA: JIOLAHY MPANAO FANAFIHANA MITAM-PIADIANA IRAY NO LAVO TETSY ANTSALOVANA
