👉Lehilahy miisa dimy no voasambotry ny Polisy, ny faha 07 novambra sy 08 novambra 2024 lasa teo noho ny resaka vaky trano.
👮Ny 05 Novambra 2024 lasa teo dia nitrangana vaky trano tao Andalamahitsy Tanandava Toamasina izay nahaverezana enta maro toy ny ordinateur portable marque Dell sy vilia maromaro ; koa nametraka fitoriana teny amin’ny komisaria Mangarano Toamasina ilay niharam-boina ary tsy niandry ela fa avy hatrany dia nandray ny andraikiny ny Polisy.
âś…Vokany dia voasambotry ny Polisy ireo jioalahy miisa telo sy ireo olona roa mpandray ny entana halatra.
DRSP ANTSINANANA-CSP2 MANGARANO
