👉Manao ezaka amin’ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ho famongorana ny asan-jiolahy mpanao asa ratsy ny Polisy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka Antsinanana.
👉Nahazo angom-baovao Polisin’ny FIP TOAMASINA ny atoandron’ny 08 novambra fa misy jiolahy mikononkonona hanao fanafihana mitam-piadiana, ka mpandraharaha iray ao Toamasina no kasain’izy ireo ho tafiahana.
👮Napetraka avy hatrany ny paikady sy ny fanaraha-maso ilay toerana vaotondro hiaingan’ ireo mpanao ratsy.
👉Nidina teny ifotony avy hatrany ny mpitandro ny filaminana, tsikaritr’ireo jiolahy ny fahatongavan’izy ireo ka tsy nisalasala ireto olon-dratsy fa avy hatrany dia nitifitra sy niezaka nandositra.
👮Nandritra ny fifanandrinan’izy ireo tamin’ny mpitandro ny filaminana dia jiolahy raindahiny miisa telo no lavon’ny balan’ny Polisy raha jiolahy miisa roa azo sambo-belona.
Sarona tamin’izany ny ✅Basy vita gasy miaraka amin’ny bala 03, basy kilalao, ary famaky sy zava-maranitra, fitaovana izay nampiasain’ireo jiolahy.
DRSP ATSINANANA -VAMA FIP TOAMASINA
