– Nanatanteraka hetsika fanentanana sy fampianarana ho an’ny ray aman-drenin’ny mpianatra tao amin’ny Sekoly Bambinos Ambodisatrana, Sambava, ny Polisimpirenena, ny 07 Novambra 2026.
– Ray aman-dreny manodidina ny 700 no nandray anjara tamin’izany.
– Ny fizaràna voalohany dia natokana ho an’ny ray aman-drenin’ny mpianatra préscolaire sy primaire, ka noresahana ny fitandremana amin’ny fitondràna ankizy amin’ny moto sy ny tuk-tuk, ary ny maha zava-dehibe ny fiarovana eny an-dalana.
– Ny fizaràna faharoa kosa dia tafa niaraha tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatry ny kolejy sy ny lisea.
-Nohamafisina ny andraikitry ny ray aman-dreny amin’ny fanaraha-maso ny fampiasan’ny zanaka ny tambajotran-tserasera, ny fisorohana ny fidorohana zava-mahadomelina ary ny fanaraha-maso azy ireo rehefa mody hariva.
– Notsindriana tamin’izany ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny Polisy, ny ray aman-dreny ary ny mpanabe amin’ny fiarovana ny ankizy.
