FIANARANTSOA : OLONA 10 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAO ANATIN’NY HETSIKA « MAHOMBY », KA FIKAMBANA JIOLAHY MIISA 02 NO SARONA

– Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra – Manamafy hatrany ny ezaka ataony amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana ny Polisimpirenena, amin’ny alalan’ny hetsika « MAHOMBY » tanterahin’ny Kaomisaria Foibe Fianarantsoa, eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Matsiatra Ambony. – Vokatr’izany, olona miisa 10 no voasambotra