BAC – FISOROHANA NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA AKAIKY FETY : MIDINA ENY AN-DALAMBE MANAO NY FANENTANANA NY POLISY

✅ « Aleo misoroka toy izay mitsabo « . Midina ifotony ny Polisim-pirenena mampahafantatra ny mpampiasa lalana ny loza ateraky ny tsy fitandremana indrindra amin’izao akaiky fety izao.
? Mitety ireny tombim-piantsonana ireny ny Polisy manao fitiliana ny tahan’ny alikaola amin’ireo mpamily mitondra mpandeha hivoaka ny faritra Antananarivo
?Maneho an-tsary ireo loza efa nitranga ihany koa izy ireo hisarihana ny sain’ny mpamily hitandrina ho fitsinjovana ny ainy sy ny mpandeha miaraka aminy ary ireo mpampiasa lalana hafa .
✅ Ny tanjona moa dia ny fiarovana antsika mpampiasa lalana ka hahatratra ny taona vaovao tsy ho tra-doza fa salama tsara ary vonona hiatrika ny taona vaovao indray.

BAC – FISOROHANA NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA AKAIKY FETY : MIDINA ENY AN-DALAMBE MANAO NY FANENTANANA NY POLISY

Vous pourrez aussi aimer