FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HIADIANA AMIN’NY KOLIKOLY/ BIANCO : NISONGADINA NY MINISTERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

✅️ Nisongadina ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka tamin’ny fifaninanana roa sosona izay nokarakarain’ny BIANCO.
🎖🏅 Teo amin’ny fifaninana 🎬 horonan-tsary fohy izay mivohy ny ady atao amin’ny kolikoly dia nahazo mari-pankasitrahana ny Polisimpirenena.
🏆Nahazo ny laharana voalohany kosa ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka teo amin’ny fifaninana mahakasika ny paikady sy lamina hiadina amin’ny kolikoly isaky ny Ministera .
📆 Tsiahivina fa Ministera miisa 7 no nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity ny volana Novambra lasa teo ka ny asabotsy 9 desambra no nizarana ny mari-pankasitrahana hoan’ny mpandresy .
🤝 Natolotra ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa,ny Alatsinainy 11 desambra moa ireo mari-pankasitrahana ireo.
Nanambara ny tenany fa vokatry ny ezaka nataon’ny Polisimpirenena hiadiana amin’ny kolikoly nandritry ny fotoana maharitra no nahafahana nahazo izao vokatra izao ; izay nahitana ny fiaraha-mientan’ny sampandraharahan’ny Polisimpirenena rehetra manerana ny Nosy.

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HIADIANA AMIN’NY KOLIKOLY/ BIANCO : NISONGADINA NY MINISTERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer