FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIHAONAMBA IRAISAMPARITRA MIKASIKA NY FIAROVANA SY NY FILAMINANA

Tontosa androany 26 Jolay 2023, teto amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny fanokafana amin’ny fomba ôfisialy ny Fihaonambe iraisamparitra mikasika ny Fiarovana sy ny Filaminana, na « FORUM INTERREGIONAL SUR LA DEFENSE ET LA SECURITE », hotanterahina any Morondava, Renivohitr’i MENABE, ny 3 sy 4 Aogositra 2023 ho avy izao.
Faritra efatra mpifanolo-bodirindrina amin’ny Faritra MENABE no ho voakasik’ity andiany voalohany ity dia MELAKY, ATSIMO ANDREFANA, VAKINANKARATRA, BONGOLAVA. Lohahevitra amin’izany ny hoe « Andao hiara-hisalahy ho an’ny filaminam-pirenena ».
👉Nitarika ny valan-dresaka tamin’ireo mpanao gazety ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTOARIJAONA Josoa, niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Goverinemanta izay nahitana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitry ny Asa Vaventy, ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina no sady mpitondra tenin’ny goverinemanta, ny Sekereteram-panjakana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarimaria, ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana sy ny solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, niaraka tamin’ireo Goverinoran’ny Faritra Menabe, Melaky, Bongolava sy Vakinakaratra, sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Tafika Malagasy.
Isan’ny fandaharan’asa tanterahin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ao anatin’ny enim-bolana, ny fanatsarana ara-teknika sy ny fametrahana ireo paikady mahomby sy maharitra, ho fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano voalohany nataon’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA izany, ary tohizina amin’izao fihaonambe iraisamparitra izao.
Izao andiany voalohany izao no lasitra hoentina manohy ireo andiany manaraka, izay mbola ho atao any amin’ireo Faritra hafa rehetra eto Madagasikara. Marihana hatrany fa izao hetsika lehibe izao dia iaraha-misalahy amin’ireo Andrimpanjakana sy Minisitera maro, ireo olom-boafidy sy olom-boatendry, ary ireo sivily sy miaramila. Ilaina ny fakana ny hevitry ny rehetra eny ifotony ahafahana mijery vahaolana maharitra.
➡️Hentitra dia hentitra ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena🇲🇬 nampitandrina ireo dahalo sy mpanao asa ratsy, sy asa fanakorontanana, indrindra ireo izay mandatsaka ny ain’ny malagasy mpiray tanindrazana aminy. Araka izany, dia tsy hitandro hasasarana ny mpitandro filaminana manoloana izany, hoy izy namarana ny fandraisam-pitenenany.

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIHAONAMBA IRAISAMPARITRA MIKASIKA NY FIAROVANA SY NY FILAMINANA

Vous pourrez aussi aimer