✅ Amin’ny 08 ora sy sasany hariva no nifanena tamin’ny Polisy teny Ambolokandrina izy roalahy ireto niaraka tamin’ny vy lava miisa 02. Hafahafa ny fihetsik’izy ireo raha vao nahita ireto Polisy ka noentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny kaomisaria.
✅ Tamin’izany no nahafantarana fa « Poteaux » hitoeran’ny takelaby manondro lalana eny amin’ny rocade no nongotan’izy ireo ka izao tratran’ny Polisy izao.
✅ Notazonina eo anivon’ny kaomisaria moa izy roalahy ireto noho ny fanimbana sy fangalarana fananana iombonana ka atolotra eo anivon’ny fampanoavana

CSP2 – FANIMBANA FANANANA IOMBONANA : ROALAHY TRATRA NANGALATRA IREO VY ENY AMIN’NY ROCADE

Vous pourrez aussi aimer