FANAPOAHANA BASY TETSY AMBODIN’ISOTRY IZAO HARIVA IZAO : VEHIVAVY IRAY NO NIHARAN’NY ASA RATSY , POLISY IRAY SENDRA NANDALO TENY AN-TOERANA NO NANAVOTRA AZY ARY VOATERY NANAPOAKA BASY

✅ Nahenoana fipoahana basy teny amin’ny faritra Ambodin’isotry tokony ho tamin’ny 8 Ora sy 15mn hariva. Vehivavy iray mantsy no niharan’ny asa ratsin’ireo jiolahy ka niantso vonjy mafy.
✅ Polisy iray nandalo teny an-toerana no naheno ilay antso ka namonjy ilay niharam-boina avy hatrany. Vokany, voatery nanapoaka basy izy raha vao nahita ireo jiolahy hiarovana ny ain’ ilay tovovavy.
✅Lasa nandositra moa ireo olon-dratsy ary eo am-pitadiavana azy ireo ny Polisy ankehitriny. Ilay tovovavy kosa dia avotra soa aman-tsara ary tsy misy atahorana ny ainy .

NB: Vaovao nalaina avy tao amin’ny Pejy ofisialy facebook ny Polisimpirenena ny 23 Avril 2022

FANAPOAHANA BASY TETSY AMBODIN’ISOTRY IZAO HARIVA IZAO : VEHIVAVY IRAY NO NIHARAN’NY ASA RATSY , POLISY IRAY SENDRA NANDALO TENY AN-TOERANA NO NANAVOTRA AZY ARY VOATERY NANAPOAKA BASY

Vous pourrez aussi aimer