STUPÉFIANT – ZAVA MAHADOMELINA MAHERY VAIKA : MISESY NY FISAMBORANA IREO OLONA MPIVAROTRA SY MPANJIFA IZANY

✅ Miparitaka eto Antananarivo Renivohitra ny fivarotana sy fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika (cocaïne, héroïne , amphetamine, Skunk ,.. ) . Tsy mifidy ny fandraisana azy ity ka na lahy na vavy na antitra na tanora dia samy roboka ao avokoa.
✅ Tsy vao ela no nisy lehilahy namono ny zanany tamin’ny fomba feno habibiana noho ny tsy fahazakany zava-mahadomelina. Araka izany dia manamafy ny ady atao amin’ny zava-mahadomelina ny Polisy ho fiarovana ny olom-pirenena tsy ho potika amin’ny fandraisana izany.
?‍♂️ Isan’andro ny Polisy dia mahatratra olona mandray na mivarotra azy ity. Raha tamin’ny herinandro teo fotsiny dia miisa 11 ireo olona voasambotra.

STUPÉFIANT – ZAVA MAHADOMELINA MAHERY VAIKA : MISESY NY FISAMBORANA IREO OLONA MPIVAROTRA SY MPANJIFA IZANY

Vous pourrez aussi aimer