FIP ANTANIMORA – ZAZAVAVIKELY VERY : HITAN’NY POLISY TETSY AMBODIMANGA BESARETY

?‍? Akory ny hafalian’ny renin’ilay zazavavy kely 04 taona rehefa tonga nanatitra ny zanany tao an-trano ny Polisy . Efa nitady azy hatraiza mantsy ity reniny saingy tsy nahita ilay zaza ary izao hitan’ny mpitandro ny filaminana izao.
? Polisy manao fisafoana amin’ny hariva no nahita ity zazavavy kely ity nitomany irery teny amin’ny arrêt bus Ambodimanga Besarety . Nanatona azy ireo Polisy ary nilaza fa very izy.
✅ Notambatambazin’ireo Polisy ilay zaza ary nampian’izy ireo amin’ny fitadiavana ny tranony. Tadidin’ity zaza ihany ny lalana mody any aminy ary tonga tao amin’ny trano fonenany ihany izy.

FIP ANTANIMORA – ZAZAVAVIKELY VERY : HITAN’NY POLISY TETSY AMBODIMANGA BESARETY

Vous pourrez aussi aimer