đš Nisy zazalahy kely 5 taona voalaza fa very tao aminâny EPP Plateaux Anjoma, Fianarantsoa ny Talata 08 Septambra 2026 araka ny fantatra dia nentinâny zokiny tany an-tsekoly izy ny maraina ary noraisinâny mpampianatra, saingy tsy hita tao an-dakilasy intsony tokony ho taminâny 10 ora.
đ Raha vao naharay ny fampilazana ny Polisimpirenena, dia nidina ifotony teny Anjoma avy hatrany niara-nikaroka taminâny ray aman-dreninâilay zaza. Nandritra izany fikarohana izany dia nisy vaovao nampitaina fa efa nisy olona nanatitra ilay zaza tany an-tsekoly.
đ Hita soa aman-tsara ilay zaza tokony ho taminâny 01 ora sy sasany tolakandro. Nentina teny aminâny Kaomisaria Foibe Ampasambazaha niaraka taminâny ray aman-dreniny sy ilay tovovavy nanatitra azy, mba hanohizana ny fanadihadiana, ary afaka nody soa aman-tsara niaraka taminâny ray aman-dreniny ilay zaza.
FIANARANTSOA : ZAZALAHY KELY 5 TAONA VERY , HITA SOA AMAN-TSARA TAO AORIAN’NY FIKAROHANA NATAON’NY POLISIMPIRENENA SY NY FIANAKAVINA.
