🛡️ Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
🚔 Manohy ny fisafoana amin’ireo toerana rehetra ahitàna trangana tsy fandriampahalemana manodidina an’i Anosibe Angarangarana ny alin’ny 08 Septambra 2026 ny Polisimpirenena, miaraka amin’ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana.
👮 Ity hetsika ity dia notarihin’ny Lehiben’ny Kaomisarian’ny Boriboritany faha-05 Mahamasina, ny Commissaire de Police RAMAROKOTO Fenosoa, niaraka tamin’ireo Vaomieran’ny Fandriampahalemana (VFP) sy ireo hery fiarovana sy filaminana tonga teny an-toerana.
🎯 Tanjona ao anatin’izany ny fametrahana fandriampahalemana maharitra eo amin’ny faritra sy hisorohana ireo mety ho tranga halatra sy fanendahana ary fanafihana mitam-piadiana sy izay mety ho karazana fandikan-dalàna; anisan’ny toerana nojerena akaiky : Fokontany Anosibe Angarangarana, Tsenan’ny Namontana, Secteur II sy III Angarangarana, La Réunion Kely, Namontana Ankadimbahoaka, ary Madera Namontana.
🔄 Mbola hitohy amin’ireo faritra maro ity fisafoana ity ary samy manao hetsika tahaka izao ireo Kaomisaria raha ny eto Antananarivo Renivohitra manokana.

ANOSIBE ANGARANGARANA : NIDINA IFOTONY NANAO FISAFOANA AMIN’NY ALINA NITETY IREO ELAKELAN-TRANO SY TOERANA MAMAIVAY AMIN’NY RESAKA TSY FANDRIAMPAHALEMANA NY POLISIMPIRENENA NIARAKA TAMIN’NY VAOMIERAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA

Vous pourrez aussi aimer