DFIP/DRFC : POLISY MIISA 80 NAHAVITA FIOFANANA MOMBAN’NY « TECHNIQUES D’INTERVENTION PROFESSIONNELLE »

Nofaranana tetsy Anosy ny talata ny 30 aprily, tamin’ny alalan’ny fampisehoam-pahaizana sy fizarana « brevet » , ny fiofanana hoan’ireo Polisy niofana momban’ny « Techniques d’intervention Professionnelle ».
👉👉 Nandritra ny 20 andro izy ireo no nanaraka izany fiofanana izany izay niompana tamin’ny fanatsarana ny fahaizamanao ilaina amin’ny fitandroana ny filaminana eny an-kianja sy ireo paikady ara-teknika entina miady amin’ny asan-jiolahy. Toerana maro no nanatanterahana ny fiofanana toy ny teny amin’ny Toby CGP RAZAFINDRAZAKA Berthin Antanimora, tany Ambanitsena, tany Manjakandriana sy tetsy amin’ny Toby IGP AMADY Augustin Ivato.
👮👮 Araka izany dia Polisy miisa 80 avy amin’ny sampan-draharahan’ny Polisimpirenena manerana ny Nosy izy ireo no nisitraka ny fiofanana ka ny telo tamin’ireo dia vehivavy.
🤝 Nitarika ny lanonana fanomezana ‘brevet’ ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala izay notronin’ireo mpiara miasa akaiky aminy.

DFIP/DRFC : POLISY MIISA 80 NAHAVITA FIOFANANA MOMBAN’NY « TECHNIQUES D’INTERVENTION PROFESSIONNELLE »

Vous pourrez aussi aimer