AKANY AMBATOLAMPY : NAVAOZINA NY FIARAHAMIASA MIARAKA AMIN’NY « ASSOCIATION BIENVENUE »

✅️ Notontosaina tetsy Anosy ny 29 aprily 2024 ny fifanaovan-tsonia ho fanohizana ny fiarahamiasa eo amin’ny « Mutuelle de Secours et Orphelinat de la Police Nationale Malagasy » sy ny « Association Bienvenue ».
🤝 Nanomboka ny taona 1998 no efa nisy ny fiarahamiasa teo amin’ny roa tonta ka nifototra tamin’ny fitsinjovana ireo zaza tezaina ao amin’ny akany izany. Tafiditra amin’izany ny fiantohana ny saram-pianarana sy ny ✏️📔 fitaovam-pianarana, ny fijerena manokana ny 🔍🩺fahasalaman’ireo zaza , 🏘 ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa, ny fiantohana ireo ankizy mianatra eny amin’ny anjery manontolo.
👉👉Araka izany dia nisy ny fanaovantsonia mahakasika izany teo amin’ny filohan’ny Association Bienvenue Marc BLANCKAERT sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny « Controleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala.

AKANY AMBATOLAMPY : NAVAOZINA NY FIARAHAMIASA MIARAKA AMIN’NY « ASSOCIATION BIENVENUE »

Vous pourrez aussi aimer