📅 Tontosa ny Talata 09 Jona 2026, tetsy amin’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fiofanana Mitohy (DRFC) Antanimora, ny fanokafana ny fiofanana mahakasika ny Fanadihadiana ny heloka anabaka (cybercriminalité), fiaraha-miasa eo amin’ny Polisimpirenena sy ny Destiny Rescue International (DRI) avy atsy Afrika Atsimo.
🎖️ Nitarika ny fotoana ny Commissaire Divisionnaire de Police OSTROM Whenss, Tale misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy (DRFC), niaraka tamin’ireo mpampiofana avy ao amin’ny Destiny Rescue International (DRI), Andriamatoa MATTHEW VALENTINE, Talen’ny OSEC Destiny Rescue International (DRI) ; notronin’ireo mpiara miasa aminy.
💻🎯 Ity fiofanana ity dia mikendry ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Polisy mpanao fanadihadiana amin’ny fiatrehana ireo heloka an-tambajotran-tserasera mampiasa « internet », indrindra ireo mifandraika amin’ny fanararaotana ara-nofo an-tserasera, ny fakàna an-keriny ary ny herisetra atao amin’ny ankizy amin’ny alalan’ny teknolojia sy ny tambajotra sosialy.
📌Polisimpirenena avy amin’ny sampandraharaha samihafa toy ny Sampandraharaha miady amin’ny heloka anabaka sy ny Polisy miady amin’ny heloka mamoafady, miaro ny zaza ary ny olona marefo (PMPM) , ny Polisy misahana ny fikarohana fandikan-dalàna eo anivon’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna (SUT) no mandray anjara amin’ny fiofanana.

