NIHAONA TAMIN’IREO MPISEHATRA AMIN’NY FITANDROANA NY FILAMINANA TAO AMIN’NY FARITR’ITASY NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA

✅️ Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ka tao Miarinarivo no nanatanteraka fitsidihana ny tenany ny alakamisy 25 aprily 2024.
👉 Fihaonana tamin’ireo mpisehatra amin’ny fitandroana ny filaminana sy ireo solotenam-panjakana ao amin’ny Faritra Itasy no nanombahany izany fidinana ifotony izany. Fifanakalozan-kevitra sy dinika hanatsarana ny fandriampahalemana moa no tanjona .
📣 Nanambara ny Minisitra fa ho an’ny Polisimpirenena dia tsinjovina manokana ny maha olona sy ny zon’olombelona amin’ny fanantanterahana ny asa, hamafisina ny ady amin’ny herisetra ary hatao laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly.
👮 Ankoatr’izay dia nandray ireo Polisy miasa eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Itasy ny Minisitra ka nanome toromarika azy ireo indrindra amin’ny hanatanterahana ny asa ao anatin’ny fanajana ny fitsipika sy ny fitandroana ny fahitsiana.
🤝 Nandritra ity fitsidihana ity ihany koa no nanoloran’ny Minisitra 🏍 🏍 moto miisa 04 hoan’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Itasy entina hanatsarana ny fomba fiasa.

NIHAONA TAMIN’IREO MPISEHATRA AMIN’NY FITANDROANA NY FILAMINANA TAO AMIN’NY FARITR’ITASY NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer