MINISITERAN’NY NY FILAMINAM-BAHOAKA: TALE VAOVAO MIISA TELO NANDRAY FITANTANANA

Fifamindram-pitantanana telo sosona no tontosa teto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny alarobia 24 aprily 2024 .
👉👉Nisy araka izany ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Tale nisahana vonjimaika ny Fitaleavana momban’ny angom-baovao na ny “Direction des Services de Renseignements”, ny Contrôleur Général de Police ANDRIANIRINARIVELO Yves Rémi sy ny « Commissaire Divisionnaire de Police RANJATOARISOA ANDRIAMIADANA Mamitiana izay voatendry ho Tale vaovao.
👉👉 Teo ihany koa ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Tale nisahana ny raharaha ara-bola teo aloha ny « Commissaire Divisionnaire de Police RATSIMBA ANDRIANINA BRICE » sy ny Tale vaovao hisahana ity fitalevana ity, ny « Commissaire Divisionnaire RASOAMIARAMANANA GILBERTE.
👉👉 Farany dia tontosa ihany koa ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Tale nisahana ny Fitaleavana miady amin ‘ny Kolikoly sy ny Fitsipi-pifehezana teo aloha, ny Contrôleur Général de Police MARINJAHA Vavitafika Vololonandro sy ny Tale vaovao , ny Commissaire Principal de Police ANDRIAMASY Ainarivonjy Olivier .
👮👮 Ny fianakaviamben’ny Polisimpirenena dia mirary soa hoan’ireo Tale vaovao mba hahefa be amin’ny adidy lehibe izay napetraka amin’izy ireo.

MINISITERAN’NY NY FILAMINAM-BAHOAKA: TALE VAOVAO MIISA TELO NANDRAY FITANTANANA

Vous pourrez aussi aimer