Fivorian’ny OMC tao Amboasary Avaratra, Anjozorobe ary tao Amborontarakely, Ankazobe

Lapan’i Mahazoarivo – 21 aprily 2024 – Nohon’ny trangana fangalana olona an-keriny mitohy ataon’ireo jiolahy ato amin’ny distrikan’i Anjozorobe sy Ankazobe dia namory ny OMC taty Amboasary Avaratra sy Amborontarakely ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian niaraka tamin’ireo ministra tomponan’antoka voalohany amin’ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Nandray anjara tamin’izany fihaonana izany ihany koa ireo olom-boafidy nahitàna ireo Ben’ny tanàna sy ireo solontenam-panjakana foibe sy ireo taty an-toerana.
Nodinihina lalina ny zava-misy marina sy ny fototry ny olana rehetra ka napetraka ny paikady hiadina amin’ny asa ratsy fakana an-keriny.
Nanamarika ny rehetra fa vonona hanatanteraka ny adidy sy andraikitra manandrify ny tsirairay.

Fivorian’ny OMC tao Amboasary Avaratra, Anjozorobe ary tao Amborontarakely, Ankazobe

Vous pourrez aussi aimer