NANOMBOKA ANDROANY NY FIFANINANANA DINGANA VOALOHANY HANDRAISANA MPIANATRA HO POLISY HOAN’NY TAONA 2023-2024

✅️ Nisokatra androany asabotsy 04 mey ary hifarana ny alahady 05 mey 2024 izao ny fifaninana an-tsoratra handraisana mpianatra ho Polisy hoan’ny taona 2023-2024.
👉 Nitsidika ireo foibem-panadinana eto an-drenivohitra toy ny tao amin’ny CEG Ampefiloha, CEG Antanimbarinandriana, Lycée Jean Joseph RABEARIVELO ary ny Lycée Moderne Ampefiloha ny Minisitry ny Filaminam- bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ireo mpiara-miasa aminy.
📣 Tamin’izany no nanomezan’ny Minisitra toromarika ho an’ireo mpiadina sy ireo lehiben’ny foibem-panadinana ary ireo mpiambina.
👮Miisa 16 101 ireo tanora malagasy hifaninana izay mitsinjara amin’ireo foibem- panadinana manerana ny Nosy.
🚫 Tsy handefitra ary handray fepetra amin’izay mety ho fandikan-dalàna sy fanaovana hosoka mandritra ny fifaninanana ny Polisimpirenena araka ny nambarany. Efa maro rahateo ireo paikady napetraka mba hanarahamaso ny fizotrin’ity fifaninanana ity . Miara miasa akaiky amin’ny BIANCO ihany koa ny Polisimpirenena, izay manana solotena ihany koa isaky ny foibem-panadinana.

NANOMBOKA ANDROANY NY FIFANINANANA DINGANA VOALOHANY HANDRAISANA MPIANATRA HO POLISY HOAN’NY TAONA 2023-2024

Vous pourrez aussi aimer