– Ady amin’ny asan-jiolahy sy ny fanendahana
– Mpanendaka roalahy no voasambotry ny Polisy miasa ao kaomisaria foibe Avaradrano ny Alahady 11 oktobra 2026 nandritran’ny fisafoana an-tongotra izay nataon’izy ireo tao an-tsenan’ Ambohitrarahaba.
-vehivavy roa no niharan’ny fanendahana sy herisetra nataon’ireto jiolahy ireto.
– Notazonina ao amin’ny Kaomisaria Foibe Avaradrano izy roalahy ireo hanohizana ny fanadihadiana alohan’ny anolorana azy eo anivon’ny Fampanoavana.
– Ny Polisimpirenena dia mandray andraikitra amin’ny fiarovana ny vahoaka manoloana ireo olon-dratsy, aza misalasala mitoroka fa tanana ho tsiambaratelo tanteraka izany.

 

ANKADIKELY – AMBOHITRARAHABA : MPANENDAKA ROALAHY VOASAMBOTRY NY POLISY TENY AMBOHITRARAHABA

Vous pourrez aussi aimer