🟢 Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanentanana sy hetsika momba ny ady atao amin’ny homamiadan’ny nono sy vozon’ny tranon-jaza ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, izay nisoloan’ny Brigade Féminine de Proximité (BFP) Tsaralalàna tena. Hetsika izay natao ny 09 Oktobra 2026 teo, tetsy Anosy.
🎯 Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nanazava ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana eo amin’ny reny sy ny zanaka, ny fanajàna ny zon’ny ankizy ary ny fanokanana fotoana hiarahana amin’izy ireo ny Lehiben’ny BFP.
👮‍♂️ Mifandray tanteraka amin’ny lafiny fanaraha-maso ara-pahasalamàna izany satria mitarika ny fahamailoana eo amin’ny mpianakavy rehefa betsaka ny fifanakalozana.
🌐 Miezaka hatrany mametraka ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny Polisimpirenena ny BFP ka mijoro sy mampiseho fahavononana na amin’ireo hetsika izay tsy misy hifandraisany mivantana amin’ny fandriam-pahalemana aza.

FANAMARIHANA NY « OKTOBRA MAVOKELY » : MANDRAY ANJARA MAVITRIKA NY BRIGADE FEMININE DE PROXIMITE.

Vous pourrez aussi aimer