BC4 – HALATRA FIARA SY FIKASANA HAMONO OLONA : TOVOVAVY 20 TAONA IZAY ZAOBAVINY MIPETRAKA AO AMINY IHANY NO NITETIKA HAKA NY FIARA SY HAMONO AZY

🚘 Nikasa hivarotra ny fiarany ny renim-pianakaviana iray ary nilaza ity zaobaviny fa mahita mpividy saingy any Ambatofotsy na Imerikasinina vao mety hanao ny andrana an’ilay fiara ilay olona hitany . Tsy nanaiky ilay ramatoa ary nilaza izy fa aleo atao eto amin’ny « Ville » ihany no hanaovana izany .
✅️ Rehefa nifanaiky ny roa tonta dia noraiketina ny fotoana tamin’ireo roalahy hitan’ilay zaobaviny milaza fa hividy ilay fiara ka teny akaikin’ny sekoly Masina Misely Amparibe no natao ny fanandramana .
✅️ Araka izany dia ireo roalahy no nitondra ny fiara ka nandeha mora izy ireo no nalefany mafy ny radio ary nampiakariny avokoa ny fitaratra mainty ary mbola nidiny « secret » ny varavarana. Avy eo dia nokendain’izy ireo sy nosemporina tamin’ny « sachet  » ilay ramatoa tompon’ny fiara izay niezaka ny nanavo-tena .
Vokany, nidofotra tamin’ny fiara teo alohany ilay fiara ka tafaporisaka izy no sady niantso vonjy . Nandositra avy hatrany ihany koa ireo olon-dratsy .
👮‍♂️🚨Tsy ela fa ny harivan’io ihany dia voasambotry ny Polisy izy 03 mianadahy ka sady tsy azo ny fiara no tsy tanteraka ihany koa ny vono olona nokasain’izy ireo atao .

BC4 – HALATRA FIARA SY FIKASANA HAMONO OLONA : TOVOVAVY 20 TAONA IZAY ZAOBAVINY MIPETRAKA AO AMINY IHANY NO NITETIKA HAKA NY FIARA SY HAMONO AZY

Vous pourrez aussi aimer