– Ady amin’ny asan-jiolahy.
– Voasambotry ny Polisin’ny FIP ao amin’ny faritra SAVA ilay lehilahy iray nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tamina « Cash Point » tany Sambava ny marainan’ny 08 Novambra 2025.
– Naharay antso maika avy amin’ny mponina manodidina ny Polisimpirenena ka tonga nisambotra azy.
– Mody nanao fametraham-bola tamin’ny finday ilay mpanafika mba hanamarinana raha efa misy vola ao amin’ilay kioska. Rehefa izay dia nambanany tamin’ny basy ilay tompona kioska saingy tafatsoaka ka tsy nahazo na inona na inona ity jiolahy ity.
– Tadidin’ilay tompona kioska anefa ny endriny ka rehefa nokarohina dia tratra tany an-tranony. Nandritra ny fisamborana sy fisavàna ny tranony no tratran’ny Polisimpirenena ilay basy vita gasy nampisainy nandritra ny fanafihana niampy bala telo calibre 12.
– Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Polisimpirenena momba ity raharaha ity.
