– Ady amin’ny asa fisolokiana
– Ravan’ny Polisimpirenena ao Port-Bergé ny tambajotram-pisolokiana QNET, olona 17 no voasambotra izay samy tafiditra amin’ity fikasan-dratsy ity. Tambajotra efa fantatra amin’ny asa fanambakàna sy fakàna vola amin’ny alalan’ny fidiram-bola sandoka izy ity.
– Tamin’ny 28 oktobra 2025, olona 13 voalohany tao amin’ny fokontany Ankorovaka no tra-tehaka, raha mbola teo am-panatanterahana fanomanana ny teti-dratsin’izy ireo amin’ny fisolokiana.
– Nandritra ny famotorana, fantatra fa ny mpikambana tsirairay avy dia mitaky 3 600 000 Ar amin’ny olona izay hampidirin’izy ireo anaty fikambana, ka lazaina sy ampanantenaina ireo olona ireo fa ahazoana tombony izany vola izany amin’ny alalan’ny fanangonana mpikambana vaovao.
– Taorian’izany, olona 04 tamin’ireo no natolotra ny Fitsarana PAC Mahajanga na ny tendrom-pitsaràna miady amin’ny kolikoly, ho fanohizana ny raharaha.
– Ny 03 novambra 2025 anefa, tsikaritra fa niverina nihetsika indray io tambajotra QNET io tao amin’ny trano iray tao Mahasalama, Port-Bergé ihany.
– Nandray andraikitra haingana ny Polisimpirenena, olona 8 no voasambotra, ahitana mpitantana 3 sy mpikambana 5 izay efa voatonona tamin’ny raharaha teo aloha.
– Samy efa notanan’ny Polisimpirenena avokoa ireo voarohirohy rehetra ireo mba hanohizana ny fanadihadiana.
