đź‘® Manoloana ny tranga filazĂ na zaza very misesisesy tato ho ato dia manamafy ny fidinana ifotony amin’ny fanentanana sy fanabeazana ny mponina ny Polisimpirenena amin’ny alalan’ny Brigade FĂ©minine de ProximitĂ© (BFP), niaraka tamin’ny Sampandraharahan’ny Polisy Miaro ny Zaza sy ny Olona Marefo ary Miady amin’ny Heloka Mamoafady (PMPM), manomboka ny Talata 07 Jolay 2026 ka teny Ampefiloha Ambodirano no nanombohana izany.
🛡️ Nifantoka tamin’ny fampahatsiahivana ny andraikitry ny tsirairay amin’ny fiarovana ny ankizy ny fanentanana, satria zo fototry ny ankizy ny hahazo fiarovana. Nohazavaina tamin’ny mponina fa ilaina ny mampandre avy hatrany ny Polisimpirenena akaiky indrindra na ny tompon’andraikitra eny amin’ny fokontany raha misy tranga fahaverezan-jaza na olona mampiahiahy. Nampirisihina ihany koa ny ray aman-dreny sy ny mpitaiza hanamafy ny fanaraha-maso sy ny fanabeazana ny zanany.
📢 Noho izany, dia antso avo no natao ho an’ny olom-pirenena mba tsy hiraviravy tanana, fa hampandre avy hatrany ny manampahefana raha mahita zaza tandindomin-doza na tranga mampiahiahy, mba hahafahana mandray fepetra haingana.
âś… Ny Polisimpirenena etsy an-dananiny dia hanamafy ireo paikady ho fiarovana amin’ny alalan’ny fisavĂ na, ny fisafoana ary ny angom-baovao.

BFP / PMPM : MANAMAFY NY FIDINANA IFOTONY NY POLISIMPIRENENA, AMIN’NY FANENTANANA MOMBA NY FIAROVANA NY ANKIZY

Vous pourrez aussi aimer