– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
- Ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny fananan’ny olona no antom-pisian’ny Polisy.
- Nitrangàna vaky trano tao Morafeno, Kaominina Ambositra, ny alin’ny 15 Aprily hifoha 16 Aprily 2026 lasa teo.
Nanao ny fikarohana sy ny fanadihadiana rehetra ny Polisimpirenena raha vao nahare avy amin’ilay vehivavy tompon-trano ka voasambotra ilay olon-dratsy tompon’antoka. Mbola tratra tany aminy ny bisikileta iray izay anisan’ny very tamin’io fotoana io.
– Natolotra ny Fampanoavana tao Ambositra ny 17 Aprily 2026 ilay lehilahy voampanga ka naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ankorombe .
- Ny Polisim-pirenena dia manamafy ny ezaka rehetra hatrany amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Entanina hatrany ny fitorohana ireo olon-dratsy any anaty fiarahamonina.
