📍 Ny alin’ny Alarobia 19 Aogositra 2026, nanomboka tamin’ny 09 ora dia nanatanteraka hetsika fanentanana sy fanakatonana ireo toeram-pivarotana zava-pisotro misy alikaola izay tsy manaja ny ora ara-dalà na ny Polisimpirenena avy ao amin’ny komisaria CSP Itaosy.
🎯 Toeram-pivarotana miisa 07 no nakatona sy nahazo fanentanana, ka 03 tao Andranonahoatra ary 04 tao Ambanilalana.
🔹 Natao indrindra ho fanamafisana ny fandriampahalemana sy hisorohana ny fivezivezen’ireo olon-dratsy amin’ny alina ny fepetra raisina tahaka izao.
📌 Tranga efa voaporofo sy hita ny fialokalofan’ireo jiolahy sy olon-dratsy eny amin’ny toeram-pisotroana mialohan’ny hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny.
âś… Nitohy sy nanamafy ny asa fisafoana fanaony moa ny Polisimpirenena eny an-toerana taorian’izany.

