– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
– Ny harivan’ny 17 Aprily 2026, lehilahy miisa efatra no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisaria Moramanga, noho ny resaka fanendahana sy harom-paosy miaraka amin’ny herisetra nitranga tao Tsarahonenana ny alin’ny 13 Aprily lasa teo.
‎- Rehefa natao ny fanadihadiana lalina dia fantatra fa izy ireto no tena tomponantoka mivantana tamin’izany asa ratsy izany. Nanomboka tamin’ny fahaverezan’ny kara-panondron’ny vehivavy iray niharan’ny fanafihana ny raharaha.
-Noho ny ezaka nataon’ny Polisimpirenena; taorian’ny fikarohana sy fanangonam-baovao tamin’ny manodidina no tra- tehaka izy ireo.
‎- Efa eo am-pelatanan’ny Polisimpirenena ao Moramanga avokoa ireo jiolahy ireo ankehitriny ary hatolotra ny fitsarana rehefa vita ny famotorana.

 

MORAMANGA – TSARAHONENANA: JIOLAHY EFATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO HALATRA MIHARO HERISETRA

Vous pourrez aussi aimer