🚔 Ho fanentanana amin’ny fikajiana ny fahadiovana sy ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka, dia nanao fidinana ifotony teny amin’ny lakandrano eo 67ha ny Lehiben’ny Kaomisaria Lefitra ao Tsaralalana, ny Commissaire de Police RANDRIAMPARANY Ted Steven, niaraka tamin’ny Lehiben’ny Kaomisaria Boriborintany fahafito.
🎯Tafiditra tanteraka amin’ny asa fitandroana ny filaminam-bahoaka amin’ny ankapobeny izany satria miteraka filaminan-tsaina sy fahatoniana ny miaina anaty tontolo madio, mampihena ny rarin-tsaina ary mahatonga fiaraha-monina mirindra sy lavitry ny disadisa ka teraka avy amin’izany ny firaisankina sy fihavanana eo amin’ny mpiray tanàna.
🛡️ Nandritra izany fidinana ifotony izany dia nampahatsiahy ireo mpanasa tsinain-kena eo akaikin’ity lakandrano maloto ity izy ireo, mikasika ny maha-zava-dehibe ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fahasalamana. Nohamafisina fa mety hiteraka aretina maro ny fiparitahan’ny loto sy ny fako, indrindra amin’ny toerana misy rano mitobaka sy maloto.
⚠️ Namporisihina manokana ireo mpisehatra amin’izany asa izany mba hanaja ny fepetra ara-pahasalamana, toy ny fitadiavana toerana hafa madio.
🤝 Nohamafisina nandritra izany fa manana andraikitra lehibe ny tsirairay amin’ny fitandroana ny fahadiovana, ary ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hahazoana tontolo madio sy mahasalama.

FIKAJIANA NY FAHADIOVANA : NANAO FANENTANANA TENY 67HA NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer