– Taorianan’y fikarahona izay nataon’ny Polisimpirenena dia efa hita soa aman-tsara ny 15 Jolay 2026 ilay zazalahy 13 taona izay nanaovana filazana fahaverezana tao amin’ny Kaomisarian’Idanda ny 14 Jolay 2026; tsy dia salama saina loatra ity zaza ity raha ny nambaran’ny reniny.
– Araka ny vaovao nomen’ny reniny, dia salama vatana tsara tsy marofo ilay zaza rehefa hita.
– Misaotra ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fikarohana sy nizara ny vaovao ny Polisimpirenena, ary manentana hatrany ny rehetra hampandre avy hatrany ny Polisy raha misy tranga mampiahiahy.
FARITRA MATSIATRA AMBONY – IDANDA-: HITA ILAY ZAZALAHY NOLAZAINA FA VERY
