– Nitsidika ny Centre Opérationnel Anti-Enlèvement ao amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna, Antananarivo, ny 15 Jolay 2026 ireo lehiben’ny fibaikoana avy amin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana dia ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Demosthene ; ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor ary ny Komandin’ny Zandarmariam-pirenena, ny Jeneraly MAMELISON Mbinina Nonos ; tonga nanatrika izany ihany koa ireo tompon’andraikitra sivily sy miaramila.
– Nandritra ny fitsidihana dia nisy ny famelabelarana nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Centre Opérationnel Anti-Enlèvements, momba ny fivoaran’ny raharaha fahaverezan’olona manerana ny firenena.
– Izany no nahafahana nanao tombana ny zava-bita ka hanamafisana ny fandrindrana ny asa ao anatin’ity rafitra iraisana ity.
CENTRE OPÉRATIONNEL ANTI-ENLÈVEMENT ETSY AMIN’NY KAOMISARIA FOIBE TSARALALÀNA : MIHAMAFY NY FANDRINDRANA IRAISAN’NY HERY FIAROVANA SY FILAMINANA AMIN’NY ADY AMIN’NY HALA-JAZA SY NY OLONA VERY.