– Ny 06 Aogositra 2026, dia vehivavy iray nokasaina halefa any Chine no voasakan’ny Polisiy misahana ny fiarovana ny sisin-tany sy ny habaka teny Ivato, noho ny ahiahy momba ny famarinana olombelona.
– Natolotra ny Polisy miasa ao amin’ny Sampandraharaha Misahana ny Fanadihadiana Manokana sy ny Ady amin’ny Hosoka ary ny fanondranana Olombelona eny Ivato ny fanadihadiana taorian’izay.
– Fantatra nandritra ny fikarohana fa nokasaina hampanambadiana teratany sinoa ilay tovovavy voasakana ary notambazana hahazo 10 tapitrisa Ariary rehefa tonga any Chine sy vita ny fanambadiana. Raha ny hita tany aloha anefa dia misy fitaka hatrany ao ambadik’izany
– Tao anatin’ny famotorana hatrany no nahafantarana fa misy tambazotra mikarakara ny fandefasana vehivavy any Chine ho ampanambadiana sinoa.
– Olona efatra no voasambotry ny Polisy noho ity raharaha ity ny 06 Aogositra 2026 ary mbola teo am-panomanana vehivavy hafa ho alefa any Chine izy ireo tamin’izay.
– Nahitana fitombokase hosoka miisa dimy, antontan-taratasy maro ary pasipaoro Malagasy 10 teny am-pelatanan’ireo voasambotra.
– Fantatra fa efa nisy vehivavy maromaro nalefa tany Chine tamin’ity tambazotra ity, ary tombanana ho 100 tapitrisa Ariary ny vola azon’izy ireo amin’ny vehivavy iray.
– Fantatra fa efa nisy niharan’ny fampijaliana ny vehivavy roboka sy voafitaka tamin’ity fampanambadiana tera-tany sinoa ity.
– Natolotra ny Fampanoavana ny 10 Aogositra 2026 ireo olona efatra ary naiditra am-ponja avokoa.

 

TAMBAZOTRA MPANONDRANA OLONA AMIN’NY ALALAN’NY FAMPANAMBADIANA AN-TERY SINOA RAVAN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer