– Notanterahina ny 28 Aprily 2026 tao amin’ny Novotel Ivandry ny lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fampiasana rafitra rindran-kajy hiarahan’ireo minisitera sy andrim-panjakana na ny « interopérabilité nationale », hetsika iray lehibe entina manamafy ny fanavaozana ara-nomerika eto Madagasikara.
– Nitarika izany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra, ary ny Fifandraisan-davitra, Andriamatoa ANDRIAMAMPIADANA Mahefa, niaraka tamin’ny fandraisan’anjaran’ny sampana misahana ny fitantanana sy fandrindràna ny nomerika na ny « Unité de Gouvernance Digitale » (UGD).
– Nisolo tena ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ary nanao sonia ny fifanarahana, ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, sy ny Talen’ny « Systèmes d’Information et des Transmissions », ny Commissaire de Police RANDRIAMANOHISOA Tovohery Hajanirina.
– Tanjona amin’ity tetikasa ity ny hampifandray sy hampifanaraka ireo rafitra informatika amin’ireo sampandraharaham-panjakana rehetra misy, mba hahafahana manatsara hatrany ny kalitaon’ny tolotra omen’ny fanjakana ho an’ny olom-pirenena, manafaingana ny fikarakarana antontan-taratasy ary mampitombo ny mangarahara eo amin’ny fitantanana.
– Ity dingana vaovao ity dia maneho ny finiavan’i Madagasikara hiditra tanteraka amin’ny vanim-potoanan’ny fanjakana nomerika maoderina sy mahomby, ho tombontsoan’ny vahoaka rehetra.


