USI – FANAFIHANA MITAM-PIADIANA ETO AN-DRENIVOHITRA : JIOLAHY IRAY NO NAMOY NY AINY TETSY MANJAKARAY

 

✅ Lavon’ ny balan’ny Polisy tetsy Manjakaray ra « Dadafara » tokony ho tamin’ny 1ora sy 45 minitra maraina teo.
✅ Kalaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fakana an-keriny ity jiolahy ity . Efa nigadra tany Tsiafahy izy ary izao saika hamerina ny asa ratsiny izao indray saingy voatifitry ny Polisy ary nitarika ho amin’ny fahafatesany.
✅ Mbola hita teny aminy nandritra ny fifandonana ny basy sy bala nampiasainy . Mitohy ny fiadiana amin’ny asan-jiolahy sahanin’ny Polisim-pirenena.

USI – FANAFIHANA MITAM-PIADIANA ETO AN-DRENIVOHITRA : JIOLAHY IRAY NO NAMOY NY AINY TETSY MANJAKARAY

Vous pourrez aussi aimer