DRSP ATSIMO ATSINANA – NOTOKANANA ANDROANY : HANAMPY BETSAKA NY POLISY AMIN’NY ADY ATAO AMIN’NY TSY FANDRIAM-PAHALEMANA

? Ny volana Martsa lasa teo no vita ary notokanana ny fitaleovam-paritra tany amin’ny faritra Analanjirofo , ankehitriny dia nahazo ny anjarany ihany koa ny faritra Atsimo Atsinana
✅ Ny Filoham-pirenena Andry Nirina RAJOELINA no tonga nitokana izany tany an-toerana ary nambarany fa fandriam-pahalemana manakaiky ny vahoaka no tanjona ary natao izao fotodrafitr’asa izao hitondrana fitoniana ho an’ny Farafangana sy ireo distrika hafa manodidina.
✅ Nitondra fisaorana sy fankasitrahana ho an’Andriamatoa Filoham-pirenena ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa amin’ny fanampiana ny Polisy. Nomarihiny tamin’izany fa distrika miisa 05 izay ahitana kaominina 98 no hahazo tombony amin’izao fananganana fitaleovam-paritra izao izay tafiditra amin’ny fantanterahana ny velirano voalohany dia ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra izany.

DRSP ATSIMO ATSINANA – NOTOKANANA ANDROANY : HANAMPY BETSAKA NY POLISY AMIN’NY ADY ATAO AMIN’NY TSY FANDRIAM-PAHALEMANA

Vous pourrez aussi aimer