DRSP ANALANJIROFO – FANGALARANA ECRAN PLAT : RAVA NY TAMBAZOTRA MPANAO IZANY AO FENOARIVO ATSINANANA

✅ Miandahy miambavy mihitsy ireto olon-dratsy mivondrona amin’ny fangalarana « écran Plat » ao Fenoarivo Atsinanana.
✅ Misy ny mamaky trano mangalatra ireo fitaovana any an-tranon’olona , ao ny miandraikitra ny fandefasana entana amin’ny « Colis »mandeha Taxi-brousse mankaty Antananarivo ary ao ny mandray entana sy mivarotra izany aty an-drenivohitra.
✅ Sakana nataon’ny Polisy eny amin’ny lalam-pirenena moa no nahitana ireto entana halatra ireto ka teo no nanombohana ny fanadihadiana.
6 mianadahy no tratran’ny Polisy hatreto ka nisy ny voasambotra tany Fenoarivo Atsinanana ary nisy kosa ny tra-tehaka teto Antananarivo . Mitohy hatrany anefa ny fanadihadiana ataon’ny Polisy miasa any an-toerana .

DRSP ANALANJIROFO – FANGALARANA ECRAN PLAT : RAVA NY TAMBAZOTRA MPANAO IZANY AO FENOARIVO ATSINANANA

Vous pourrez aussi aimer