👮 Ady amin’ny herisetra mihatra amin’ny ankizy sy ny fiarovana ny olona marefo
‎🎯 Ny 25 Jona 2026 tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro no nisy tranga fanolanana zaza vavy kely 09 taona tao amin’ny ivon-toerana fitaizà na zaza kamboty iray ao Morondava.
‎⚠️ Niditra an-tsehatra avy hatrany ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Sampandraharaha fikarohana fandikan-dalĂ na ao (SRPJ) Menabe raha vao nahare ny tranga ka nanao ny fikarohana, voasambotra ilay lehilahy nahavanona ity fihetsika mamohehatra ity.
‎➡️ Natolotra ny Fampanoavana ny harivan’ny 25 jona 2026 ihany ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy.
Miantso ny rehetra hahasahy hitoroka ireo mpanao ratsy amin’ny endriny rehetra ny Polisimpirenena hahafahana mandray andraikitra haingana sy ho fisorohana ny fandikan-dalà na.
FARITRA MENABE, MORONDAVA : LEHILAHY 19 TAONA NANOLANA ZAZAVAVY KELY 09 TAONA VOASAMBOTRY NY POLISY ARY NIDOBOKA AM-PONJA
