👉 Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
đź‘® Lehilahy iray no nosamborin’ny Polisimpirenena ny harivan’ny 28 Jona 2026 teny Ambodin’Isotry rehefa tratra nisandoka ho Polisimpirenena. Nampiahiahy ireo Polisy nanao sakan-dalana teny an toerana izy satria nanosika mĂ´tĂ´ tsy nisy fanalahidy.
🔎 Nandritra ny fisavà na dia nilaza ho Polisy ilay lehilahy ary nitafy fanamiana Polisimpirenena. Rehefa nohadihadiana anefa dia niaiky fa olona sivily izy ary nisandoka fotsiny.
⚖️ Nosamborina avy hatrany izy ary nentina tao amin’ny Kaomisarian’ny Boriborintany faha-4 Isotry (CSP4 Isotry) anohizana ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.
AMBODIN’ISOTRY: LEHILAHY MISANDOKA HO POLISIMPIRENENA VOASAMBOTRA
