✅Ny Alatsinainy 29 Jona 2026 no nihaonana tetsy amin’ny Masoivohon’i Sina Nanisana, Andriamatoa S.E.M JI Ping, Masoivohon’i Sina eto Madagasikara, sy ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, ho fanaovan-tsonia amin’ny fanavaoazana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.
‎🎁 Tamin’ity fotoana ity ihany koa no natao ny fanolorana ireo fitaovana maro samihafa avy amin’i Sina. Fitaovana izay ho ampiasain’ny Polisy eo am-panatanterahana ny asany.

‎🤝 Ny Minisitry ny Filaminambahoaka sy ny Masoivohon’i Sina dia naneho ny fahavononany hanohy hatrany izao fiaraha-miasa izao nandritra ny lahateny nifandimbiasana. Nambara tamin’izany fa samy sarotiny amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny roa tonta ka tsy misalasala amin’ny fizaràna ny traikefa. Efa tafody eto Madagasikara moa ireo Polisimpirenena niatrika fiofanana momba ny ady amin’ny heloka anabaka tany Sina niainga tamin’ny tapaky ny volana jona teo iny.

MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA SY NY REPOBLIKA ENTIM-BAHOAKAN’I SINA : MANAMAFY SY MANAVAO NY FIARAHA-MIASA NY ROA TONTA

Vous pourrez aussi aimer