🔴 Ady amin’ny hosoka
‎🎯 Nisy lehilahy iray voasambotry ny Polisy teo am-pamitahana mpanao cash point tamin’ny vola sandoka 500.000 Ariary, izay 20.000 Ariary miisa 35, tao amin’ny Fokontany Tanakidy, Manakara ny 25 Jona 2026.
‎‼️ Niroso tamin’ ny fanadihadiana ny Polisy ka lehilahy efatra hafa izay mpiray tsikombakomba taminy no voasambotra ny 26 Jona 2026. Niaiky ny heloka vitany avokoa izy ireo ary mbola nilaza fa nisy vola sandoka hafa saika hamitahan’izy ireo olona fa efa nopotehina.
‎➡️ Nentina avy hatrany eny amin’ny kaomisarian’ny Polisy izy ireo hanaovana famotorana, ary atolotra ny Fampanoavana aorin’ izany.
FITOVINANY, MANAKARA : LEHILAHY DIMY NANAPARITAKA VOLA SANDOKA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
