🏛️ Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL tao amin’ny biraony tao Anosy ny 01 Jolay 2026 ny Solon-tena maharitry ny ONUDC (Rantsan’ny Firenena mikambana misahana ny ady amin’ny heloka bevava sy ny zava-mahadomelina) aty Afrika Atsinanana, Andriamatoa ALI EL-BEREIR.
🌍 Ankoatran’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny ONUDC, dia niompana tamin’ny ady amin’ny heloka anabaka sy ny famarinana olombelona ny dinika nifanaovana.
