POLISIM-PIRENENA MIASA ENY AN-KIANJA : TONGA NITONDRA TOHAN’AINA HO AZY IREO NY FIKAMBANAN’NY VADINA POLISY SY POLISY VEHIVAVY.

✅Nozaraina tohan’aina ireo Polisy👮‍♂️ eny an-kianja satria mifantoka tanteraka amin’ny asa izy ireo, ary tsy misy fotoana na hizahana sakafo atao vatsy aza.
🥪🥛Ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka no manohana azy ireo ara- tsakafo ary ny FIVAPOVA na ny Fikambanan’ny Vady polisy sy Polisy Vavy👮‍♀️ Analamanga kosa no tonga nidina nizara izany ho an’ireo Polisy miasa eny an-kianja.
✅️ Efa fomba fanao eto anivon’ny Polisimpirenena izany fifanohanana izany.
Fotoana ihany koa hanamafisana hatrany ny fiombonana sy ny firaisankina eo amin’ny samy mpitandro filaminana.
Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka.

POLISIM-PIRENENA MIASA ENY AN-KIANJA : TONGA NITONDRA TOHAN’AINA HO AZY IREO NY FIKAMBANAN’NY VADINA POLISY SY POLISY VEHIVAVY.

Vous pourrez aussi aimer