🛡️ Ady amin’ny herisetra sy ny fidorohana zava-mahadomelina ary fiarovana ny ankizy
👮‍♂️ Ao anatin’izao fiandohan’ny taom-pianarana izao, dia nanatanteraka fidinana ifotony sy fanentanana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny Lycée Miarinarivo, Lycée Technique Miarinarivo ary Lycée FJKM Antanisoa ny Sampan-draharahan’ny BFP Antananarivo, mikasika ny ady amin’ny herisetra, ny fiarovana ny ankizy amin’ny halajaza ary ny fisorohana ny fandraisana zava-mahadomelina.
📢 Natao hampahafantarana ny tompon’andraikitry ny sekoly sy ny mpianatra ireo fihetsika tsotra azo atao hiarovana ny rehetra amin’ny endrika herisetra isan-karazany, ary koa ny fandraisana an-tanana ataon’ny Polisimpirenena rehefa misy tranga tahaka izany izao hetsika izao.
🤝 Hetsika izay entina hampiharana ny teny filamatra hoe: « Polisy miaro sy manampy ny vahoaka ». Hitohy amin’ny toerana maro izao hetsika izao.

MIARINARIVO : FANENTANANA NATAON’NY BFP MAHAKASIKA NY FIAROVANA NY ANKIZY SY ADY AMIN’NY HERISETRA

Vous pourrez aussi aimer