📢 Ny Alatsinainy 22 Jona 2026 tamin’ny 01 ora maraina no nahazo antso ny Polisin’ny Hery Vonjitaitra ao Toliara fa nisy mpanendaka nandroba mpandeha cyclo-pousse teny Amboriky.
👮 Teo noho eo dia nirotsaka an-tsehatra ny Polisy ka voasambotra ny iray tamin’ireo jiolahy ary fantatra fa nisy namany tafaporitsaka tany anaty haizina.
🛑 Natao andri-maso sy nanokafana fanadihadiana mba hahafantarana ireo namany ity jiolahy ity. Miantso ny olom-pirenena tsara sitra-po amin’ny fanomezam-baovao fa tanana ho tsiambaratelo tanteraka izany.