Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina
✅Loharanom-baovao mari-pototra no nampahafantatra ny Polisimpirenena fa misy lehilahy iray mitahiry sy midoroka zava-mahadomelina mahery vaika eny amin’ny manodidina an’i Faliarivo Ampitatafika. Nirotsaka an-tsehatra mba hahafahana manamarina ny zava-misy ny Polisy avy ao amin’ny Sampandraharaha « Stup » Anosy ny marainan’ny 01 Jolay 2025, nanao ny velam-pandrika rehetra.
➡️Nandritra ny fisavana natao tao an-tranon’ilay lehilahy iray dia nahitàna fitaovana maro natao ho fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika tao aminy. Mbola nahitàna zava-mahadomelina mahery vaika « métamphétamine » sy rongony ihany koa.
➡️Ankoatra izay dia nahatratrarana basy Poleta sy grenady ihany koa tao amin’ity mpidoroka zava-mahadomelina mahery vaika ity ka mihitatra araka izany ny fanadihadiana natao taminy.
➡️Nandritra ny famotorana dia nanoro ny lehilahy iray hafa nanome azy ireto fitaovam-piadiana ireto izy ka nosamborina teo noho eo ihany koa ity faharoa ity.
Tamin’ny fisavàna ny tranon’ilay lehilahy faharoa dia nahatratrarana « boite chargeur » iray ana basy poleta sy fitaovana maro natao ho fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika ihany koa tao aminy.
➡️Nentina teny amin’ny biraon’ny Polisy avy hatrany izy roalahy ireto natao andri-maso sy hanohizana ny fanadihadiana. Rehefa natolotra ny fampanoavana ny Alakamisy dia nidoboka eny Tsiafahy.

 

LEHILAHY ROA MPIDOROKA ZAVAMAHADOMELINA, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TETSY AMPITATAFIKA ATSIMONDRANO — NAHATRATRARANA FITAOVAM-PIADINA MAHERY VAIKA TENY AMINY

Vous pourrez aussi aimer