Fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra
✅Jiolahy miisa 11 no voasambotry ny Polisy eto Andrenivohitra tamin’ity herinandro ity ka 17 taona ny zandriny indrindra ary 41 taona ny zokiny indrindra.
CSP2 – AMBOHIJATOVO
– Lehilahy iray 26 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriboritany faha-2, teny Ambolokandrina noho izy tratra ambodiomby teo ampamakiana fiara nipetraka teo amin’ny parking.
– Lehilahy iray 28 taona ihany koa no voasambotra teny Manakambahiny rehefa nihanika tamboho tao amin’ny trano iray. Ny tompon-trano no nampandre avy hatrany ny Polisy ka tonga ara-potoana ireo mpitandro filaminana nisambotra ilay jiolahy.
– Teny Ambohimitsimbina, jiolahy iray 23 taona koa no voasambotra, tratra ambodiomby namaky trano teny an-toerana.
– Ankoatra izany, lehilahy roa (18 sy 41 taona) no voasambotra teny Ambohipo noho ny resaka fanendahana.
CSP3 – ANTANINANDRO
Lehilahy iray 17 taona no voasambotra teny Mahazo rehefa nangala-bola sy entana tao amin’ny trano fivarotana iray. Raha vao nahita ilay tomponn’ny tsena izy dia nandositra, saingy tsy lasa lavitra dia tratran’ny Polisy niasa teo akaiky teo.
CSP5 – MAHAMASINA
Lehilahy iray no voasambotra teny amin’ny Fasankarana rehefa nangalatra finday iray tao amin’ny toeram-pivarotana iray teny an-toerana.
CSP7 – 67Ha
Lehilahy miisa telo no saron’ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriboritany faha-7, tratra ambodiomby tamin’ny fanendahana finday. Teny Ankasina, Vatobe, ary Parking 67Ha no nahatratrarana azy ireo. 17 taona ny zandriny indrindra ary 24 taona ny zokiny indrindra amin’ireto olon-dratsy ireto.
CSP8 – ANALAMAHITSY
Lehilahy iray 41 taona, tratra niaraka tamin’ny fonosan-drongony maromaro no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny CSP8 teny Masay Andranobevava.
➡️ Ny Polisimpirenena dia manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana mba tsy hisalasala hitoroka an’ireo mpanao ratsy eny amin’ny fiarahamonina. Tanana ho tsiambaratelo tanteraka ny mombamomba ireo mpanome vaovao.
