👉 Ady amin’ny asan-jiolahy sy ny fanendahana.
👮‍♂️ Nahazo fitarainana tamin’olona lasibatry ny fanendahana ny Polisy avy ao amin’ny CRFIP Atsinanana nandritran’ny fisafoana nataon’izy ireo tao amin’ny faritra Verrerie sy Proma, ny harivan’ny 13 Oktobra 2026.
🚔 Niroso avy hatrany tamin’ny fanenjehana sy ny fikarohana ireo voarohirohy ny Polisy, niaraka tamin’ny fokonolona.
🎯 Vokatr’izany, dia voasambotra ny iray tamin’ireo mpanendaka ary fantatra fa misy namany iray tafapotsika.
🔎 Natolotra ny SRPJ Toamasina ny raharaha mba hanohizana ny fanadihadiana alohan’ny hanolorana azy eo anivon’ny fampanoavana.
✅ Ankasitrahana ireo fokonolona amin’ny fahatokisana ny Polisimpirenena ary entanina hatrany ny rehetra tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy.
TOAMASINA : MPANENDAKA NAMPIKAIKAIKA NY MPONINA VOASAMBOTRY NY POLISY TAO VERRERIE.
